4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fifaliana hatrany - Ny Feo'Ray

Santarintsika izao ilay tena fiainam-baovao
Nomaniny ho ahy, natokany ho anao
Ireo tebitebin-tsaina, alahelo tsy laitra
Esory avokoa dia soloy zava-tsoa

Fa na ny androm-piainanao izay mampisento anao
Mandreraka loha, tsy zaka tokoa
Dia andrandrao ny lanitra, banjino Andriamanitra
Fa ho hitanao raha mino ianao

Fa fifaliana hatrany, hasambarana ihany
Nomaniny ho ahy, zarainy ho anao
Fa na ireo rivo-mifofo, alon-drano manonja
Teny iray monja dia foana ny loza

Fifaliana (fifaliana)
Fifaliana (ho ahy sy ianao (2))

Partager fifaliana hatrany

Commenter fifaliana hatrany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Feo'Ray